ActualitésTatitra

Royaume-Uni : Niteraka fihetsiketsehana goavana ny fanagadrana an’i Carla Foster

Vehivavy iray 44 taona antsoina hoe Carla Foster no voaheloka higadra 28 volana noho ny fanalan-jaza. Raha ny fanazavana dia nanao « child destruction » izay midikana famonoana zaza mbola tsy teraka kanefa tokony nateraka io vehivavy io. Marihana mantsy fa lalàna velona ao an-toerana ny fandraràna ny fanalan-jaza aorian’ny 24 herinandro kanefa efa zaza 32 hatramin’ny 34 herinandro teo no nentin’io renim-pianakaviana io.

Niditra hopitaly i Carla Foster taorian’ny fanalany ny zanany no nahafantarana ny tranga. Ny fanaran’ny herinandro teo kosa dia olona an-jatony izay vehivavy no ankamaroany no nanao fihetsiketsehana teo alohan’ny Royal Courts of Justice tao Londres niaro an’i Carla Foster. Efa manan-jakana 3 hafa kosa io renim-pianakaviana voafonja io ary mila fikarakarana manokana ny iray amin’ireo. Manoloana izany dia efa mandinika ny raharaha momba an’i Carla Foster indray ny mpitsara Edward Pepperall.

Laisser un commentaire