Anosy Avaratra: Mizotra soa amantsara ny fananganana ny tambohon’ny CEG Lazaina
Ao anatin’ny fananganana tanteraka ny tamboho ao amin’ny CEG Lazaina ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra, amin’izao fotoana izao. Fiaraha-mientana teo amin’ny kaominina sy ny talen’ny sekoly, ny biraon’ny FEFI ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra ao an-toerana izao fananganana izao, araka ny voalaza.
« Efa mandeha tanteraka ankehitriny ny fanamboarana ny tamboho eto amin’ny CEG Lazaina. Hisaorana ireo nanohana, hatramin’ny nanombohan’ny ady fototra izany asa izany satria dia mandray anjara amin’ny fanasoavana sy mametraka lova ho an’ny taranaka » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Soa fianatra ny ezaka tahaka izao. Hankasitrahana ny tomponandraikitra tsy nikely soroka fa mikatsaka hatrany ny hampandrosoana amin’ny lafin’ny rehetra eto amin’ny kaominina » hoy i Ando, mponina ao Anosy Avaratra.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vinan’asan’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Anosy Avaratra moa izao fanamboarana izao. Ity farany ihany koa izay marihina fa anisan’ny nanome tolo-tanana entina manangana izany.
Manitra R.
