Ankadikely Ilafy: Nisy ireo hetsika fanentanana nentina nanombohana ny hetsika fanaovam-baksiny Polio
Karazana hetsika fanentanana maro no niseho nandritra ny lanonana fanokafana ny herinandro ho an’ny ady atao amin’ny aretina azo avy amin’ny taymiparitaka, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alatsianiny teo. Nato izany mba hanentanana ny mponina sy ireo voakasika izany amin’ny fanaovam-baksiny, araka ny voalaza.
“Fanentanana maro tamin’ny hendriny samihafa no nentina nandresy lahatra sy nitondràna fanazavana ny voka-dratsin’ny tay miparitaka nandritra ny lanonam-panokafana ofisialy ho an’ny herinandro ho an’ny fanaovam-baksin’ny lefakozatra andiany fahaefatra natao teto an-toerana. Heni-boninahitra ny Kaominina Ankadikely-Ilafy, Distrika Avaradrano tamin’ny fandraisana izao lanonam-panokafana ofisialy izao ho an’ny Faritra Analamanga” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
“Niantefa indrindra tamin’ireo ankizy moa ny fanentanana teto ary izy ireo no hitondra ny hafatra fa zava-dehibe ny fahasalamana izay miantoka ny ho avy ka ny fanaovana vaksiny Polio atete no fiarovana tsara indrindra sady azo antoka ho azy ireo. Niroso tamin’izany fanaovana vaksiny izy ireo rehefa avy nandray ny fanentanana” hoy hatrany ny fanazavana.
Antoky ny fahasamana ny fanaovam-baksiny. Zava-dehibe ihany koa ny fanatanterahana izany amin’izao fotoana izao satria maro ireo loto miparitaka mety ahatonga ny otrikaretina.
Manitra R.
