ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Tsy poizina « toxique » ilay rano mivoaka avy ao amin’ny orinasa mpanodina poti-taratasy

Nizaha ifotony teny Ambohimanambola ny 04 oktobra 2021 ny mpanao fitsirihana ara-indostrialy avy eto amin’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Tonga nijery mivantana ilay orinasa mpanodina poti-taratasy ho lasa taratasy fidiovana raha vao naharay ireo fitarainan’ny mponina teny amin’iny faritra iny.

« Hita teny an-toerana tokoa fa misy ny rano maloto miloko fotsy tsy misy fofona izay avoakan’ity orinasa ity. Rano vokatr’ilay fanodinana taratasy antsoina hoe « composé de pâte de cellulose » izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. « Naaton’ny Ministera aloha ny famoahana ny rano maloto avy amin’ny orinasa mandra-pahitana vahaolana maharitra ka manaiky izany izahay » hoy ireo mpitondra ao amin’ny orinasa.

« Tsy rano misy poizina akory ilay rano nivoaka tao amin’ilay orinasa ary tsy hatahorana velively hahafaty sy hisy fiatraikany amin’ny fahasalamana » hoy ny avy ao amin’ny Jirama. Niteraka tebiteby teo amin’ny mponina tokoa ny fisian’izany satria nifandray tamin’ny ranon’Ikopa izay ahodina hosotroin’ny olona ihany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire