Manasitrana aretina maro ny fihinana salady isanandro
Betsaka ny mpankafy ny salady, indrindra rehefa atao lasary iny izay azo ampiarahina amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro. Maro tokoa ny voka-tsoa azo avy amin’ny fihinanana salady.
Manala tavy sy mampihena vatana ny salady ho an’ireo mila izany; tsara ho an’ny olona manana tosi-drà ambony sy cholesterol ambony ihany koa. Mahasalama ny fo izy noho izany ka sady mety ho an’ny olona misy diabeta sy mampifandanja ny tahan’ny siramamy amin’ny vatana. Tsy izay ihany fa mety be ho an’ny olona marary aty sy vavony izy noho ny salady sakafo alkaline. Misy omega 3 ihany koa ka tsara ho an’ny saina ary manampy ny olona amin’ny torimaso ho an’ireo tsy mahita tory.
Isan’ny manampy amin’ny fandevonan-kanina ihany koa ny salady no sady miaro amin’ny homamiadana no mety amin’ny efa mararin’ny homamiadana. Mbola maro tsy tambo isaina ny zava-tsoa entiny. Manmpy ny olona mitebiteby lava sy mitaintaina ihany koa izy satria mety tsy avy amin’ny fiainana ihany akory no mahatonga izany fa mety misy singa tsy ampy amin’ny vatana ka manampy betsaka ny salady.
Atao lasary no tena mahazatra kanefa azo atao ho ranomboankazo ka afaka mihinana azy isanandro.
Nicole Rafalimananjara
