Ambohimanambola : Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona
Ny 1 oktobra no andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona, Hisy ny fankalazana io andro iraisam-pirenena io raha ho an’ny Kaominina Ambohimanambola manokana. Natao tao amin’ny Kaominina ny fanomanana izany ny 5 oktobra 2021 lasa teo.
« Tanjona ny hampiseho sy hizara ireo talenta sy fahaiza-manao indrindra ireo mampiavaka ny kaominina Ambohimanambola mandritra io fankalazana io » hoy ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola. « Manan-talenta ny zokiolona sady manampy azy ireo ihany koa ny hetsika tahaka izao » hoy i Holy, mponina any Ambohimanambola. « Hisy fandrosoana ihany eto amintsika raha isaky ny Kaominina dia mankalaza ny andro iraisam-pirenena isan’andro na tsy ara-potoana aza fa mba misy hetsika fotsiny ho fanohanana ireo tsaroana amin’inya ndro iny » hoy i Armand, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo.
Reharehan’ny tanàna ny fisian’ny hetsika mampandroso tahaka izao, afaka mitondra fampandrosoana avokoa mantsy na hatramin’ny zokiolona aza. Mila omena lanja mihoatra anefa ny tanora izay tena tompon’ny hery sy ny tanjaka amin’izay lasa lavitra ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
