ActualitésTatitra

La Réunion : Lasan’i Pauline Payet ny Open Henri Foucque

Lalao fifaninana Tennis ny Open Henri Foucque izay notontosaina tao Saint-Denis, La Réunion. I Pauline Payet teratany ao an-toerana sy Irina Ramialison no nifanandrina tamin’ny lalao famaranana ny alahady teo. Lavon’i Pauline Payet tamin’ny isa 7-5 6-0 6-0 ny mpifanandrina taminy.

Raha tsiahivina dia mponin’i La Réunion voalohany tafiditra ao amin’ny filaharana iraisam-pirenena i Pauline Payet izay laharana faha-56 raha eo amin’ny faha-243 no misy an’i Irina Ramialison. Tsy mora nefa ny fifaninanana hoy io mpandresin’ny Open Henri Foucque  io ary reraka ny vatana saingy ny saina sisa no nanosika namita ny lalao hoy izy.

Laisser un commentaire