Thaïlande : Nanome baiko mba hiady ho an’ny fahalotoan’ny rivotra ny governemanta
Mbola miaina tanteraka ao anatin’ny fahalotoan’ny rivotra ny ao Thaïlande amin’izao fotoana. Izany dia vokatry ny setroka avy amin’ny doro ala sy ny fandorana mololo, eo ihany koa ny setroka avy amin’ireo fiara sy ny orinasa mpamokatra maro any an-toerana. Manoloana izany, dia nanome baiko ny governemanta ny avy amin’ny fitsarana mba hanatanteraka drafitra mati-paika enti-miady amin’izany loza izany. Ao anatin’ny 90andro no napetraky ny fitsarana any an-toerana, hanolorana izany drafitra hiadiana amin’ny fahalotoan’ny rivotra izany.
