ActualitésTsidika

Alasora : Mila jerena manokana ireo lalan-tany ao amin’ny fokontany Ambohitanety sy Ambohimarina

Anisan’ny mampitaraina ireo mponina sy mpampiasa azy ny lalana ao amin’ny fokontany Ambohitanety sy Ambohimarina, ao amin’ny fokontany Alasora, amin’izao fotoana izao. Mamotaka, malama ary tsy azo andehana ny lalana, indrindra rehefa misy orana, araka ny voalaza.

« Mangataka manokana amin’ny tomponandraikitra mba hijery akaiky momba ity lalana ity fa tena mijaly na ny mpitondra fiara na ny mpandeha an-tongotra. Anisan’ny tena mahatonga io fahasimbana io ny fisian’ireo kamiao lehibe mpitaona tany, ka manampy trotraka amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Mila handraisana fepetra » hoy i Mirana, mponina ao Alasora.

« Ny angatahana amin’ny tomponandraikitra, rehefa misy ny fanatanterahana tetik’asa fanamboaran-dalana, ohatra ny projet lalankely, dia tokony jerena manokana, ary hitondrana fanamboarana ity lalana ity. Amin’izao fotoana efa maro ireo mivezivezy, mampiasa ny lalana kanefa tena ratsy ilay lalana » hoy i Holy, renim-pianakaviana.

Anisan’ny olana mampikatso ny fampandrosoana ny lalana. Ny lalana izay mampisy ny serasera sy ny famoaham-bokatra isan-karazany ao amin’ny faritra iray ka tokony atao laharam-pahamehana ny fanamboarana izany.

Laisser un commentaire