ActualitésTsidika

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena : Tontosa ny atrikasa niarahana tamin’ny TAFITA JICA

Notanterahina ny alakamisy 19 Aogositra 2021 tao amin’ny sekoly tsy miankina « la Colomba Ilafy » ny atrikasa fifampizarana traik’efa niarahan’ny mpiara-miombon’antoka TAFITA JICA sy ny teo anivon’ny DEFPE ministeran’ny fanabeazam-pirenana foibe ary ireo teknisiana eny anivon’ny fitaleavam-paritry ny fanabeazam-pirenena Analamanga sy Amoron’i Mania.

Tompon’andraikitra miisa 67 avy amin’ny Fitaleavam-paritry fanabeazam-pirenena Analamanga sy Amoron’i Mania ary avy amin’ny Fari-piadidim-pampianarana Andramasina, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Anjozorobe, Ambositra ary Ambatofinandrahana no niaraka nanatanteraka izany.

Niompana tamin’ny fizarana ireo asa natao mahakasika ny fanomezana sakafo eny anivon’ny sekoly nandritra ny taom-pianarana 2020-2021 teo mba hahitana ireo lesoka tokony harenina sy ny tsara mila tohizana ary koa ireo olana mety nitranga teny anivon’ny sekoly tamin’ny fanatanterahana izany famatsiana ara-tsakafo izany.

Sitraka Rajaonarivony

Laisser un commentaire