ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mila manana kiririoka avokoa ny tokantrano tsirairay avy

Mbola ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana hatrany Kaominina Ankadikely Ilafy amin’izao. Nandefa filazana ny kaominina ny amin’ny tokony hananan’ny tokantrano tsirairay ny kiririoka mba ho fanairana ny manodidina raha misy tranga na tsy filamianana. « Marihina fa hisy fisavana izany fitaovana izany rehefa kelikely eo ka manentana hatrany ny rehetra hitsoka kiririoka hanairan any manodidina raha vantany vao maheno kiririoka amin’ny alina » hoy ny Ben’ny tanànan’Ankadikely Ilafy Rajaonah Rija. »Tokony handalo eto amin’ny Fokontany hatrany ny vahiny na ny mpanofa trano vaovao manao taratasy satria ho entitra ny sazy ho an’ireo izay tsy manara-dalàna satria tokoa efa an-tenda ny aintsika manoloana izao korontana isan’andro izao » hoy ny sefom-pokontany ao Ilafy. « Tena efa mampatahotra mihitsy ny toe-draharaha amin’izoa fotoana izao satria vao haingana izao no nisy poa-basy indray teny Antsofinondry » hoy i Anita, mponina ao Ilafy.Efa mandray ny andraikiny ny tompon’andraikitra any an-toerana ary isika vahoaka dia manaraka tsara ny lamina napetraka mba hisian’ny filaminana ary ihany koa mba hialana amin’ny fifanomezan-tsiny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire