PolitiqueTsidika

Nentin’i Hajo Andrianainarivelo nody ve ny « climatiseur »-ny ?

Niteraka resabe eraky ny tambazotran-tserasera ny filazana fa notsoahin’i Hajo Andrianainarivelo ny « climatiseur » tao amin’ny biraony rehefa tontosa soa aman-tsara ny fifamindram-pahefana.

Tontosa soa aman-tsara ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Ministrin’ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy teo aloha Hajo Andrianainarivelo sy ny Ministra vaovao Jerry Hatrefidrazana. Nalainy kosa ny « climatiseur » tao amin’ny biraony rehefa andeha izy.

Tamin’izay indrindra no nanehoan’i Rivo mpiasa eny anivon’ny ministera fa tokony hita any ny amin’ny tahirin-tsoratra ao amin’ny sampan-draharaha fitantanana ny kaonty ao amin’ny Ministera raha an’ny fanjakana ny fitaovana fa raha azy kosa zony feno ny mitondra izany.

« Tsy misy mihitsy ny fanajana ny secret d’etat eto Madagasikara. Na zavatra tsy misy dikany aza dia toa hita avoaka sy haparitaka erakin’ny haino aman-jery ». Tsy nahenoana feo momba ity resaka ity kosa ny ity ministra teo aloha ity fa ny fitanisany ny asa efa vitany teo anivon’ny ministera sy ny asa mbola ho atao ary ny momban’ny fisafidianan’ny Filoha ny mpikambana mandrafitra ny governemanta no tena nibahana tamin’ny fanehoan-keviny.

Nanjaka ny fifanaratsiana, ny fanosoram-potaka ary ny fanasoketana tamin’ity fitondrana ity. Nalalaka loatra ny olona ny amin’ny fanehoan-kevitra, ny Malagasy rahateo efa hita ao amin’ny tambazotran-tserasera avokoa. Ny toe-tsaina mihitsy no mila amboarina eto Madagasikara. Mirona any amin’ny resaka tsy misy dikany avokoa ny Malagasy. Tsy mahita ny lafitsara ny zavatra mitranga fa any amin’ny lafiratsiny hatrany no hitan’ny olona. Sa mahatsapa miaina amin’ny faharatsiana ve ny vahoaka ka lasa tsy mahita ny tsara intsony ? Na izany aza, mampametra-panontaniana ihany ny fandehan’ny tantara ao an-dapa ao.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire