Faritra Analamanga : Nitohy hatreny Ankadimbahoaka ny fanamboaran-dalana
Nitohy hatramin’ny zoma 19 aogositra teo ny asa fanamboaran-dalana ho an’ny faritra Analamanga.
Taorian’ny asa fanetsenana tara ny lalana teny amin’ny faritra Androndra ka hatreny Bypass, izay nanomboka ny 18 Aogositra lasa teo, dia nitohy hatraty Ankadimbahoaka ihany koa ny asa fanamboaran-dalana izay nataon’ny governoran’ny faritra Analamanga sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
Niasa andro aman’alina ireo mpiasa tamin’ny fanamboarana ireto lalana ireto izay efa tena nampitaraina ny mpampiasa azy tokoa ny fisian’ny lava-davaka, mahatonga fitohanan’ny fifamoivoizana lava reny eny amin’ireo faritra ireo.
Manitra Ramanantsoa
