ActualitésTatitra

Corée du Nord : Mpitsikilon’ny « service secret » teo aloha nanaiky namoaka tsiambaratelo mahakasika an’i Kim Jong-un

Efa zatra mitàna tsiambaratelo i Kim Kuk-song, sahirana mihitsy ireo mpanao gazety vao afaka nifampiresaka taminy. Tsy niala solomaso mainty izy manolona ny fakan-tsary ary mpanao gazety roa ihany no nekeny nifampiresaka taminy sy mahalala ny tena anarany.Niasa 30 taona tamina masoivoho mpitsikilo maromaro matanjaka ao Corée du Nord ny tenany. Maso, sofina ary atidohan’ny filoha ireo masoivoho ireo hoy izy, mahalalala ny triambaratelon’i Kim Jong-un. Nandefa mpamono olona izy raha ny fanazavany namono ireo mpitsikira ary nanamboatra laboratoara tsy ara-dalàna namokatra zava-mahadomelina mba ahazoana vola « révolutionnaire ». Nanao izay fomba rehetra nahazoana vola hoy izy i Corée du Nord, nataony hatramin’ny fivarotana fitaovam-piadiana tao Moyen-Orient sy Afrique.Tsy miaro kosa hoy izy ny voninahitra sy ny tsy fivadihina manoloana i mpitondra fanjakana io ary na izy aza dia tsy maintsy nitsaoka ny taona 2014. Monina ao Séoul izy ankehitriny ary miasa ao amin’ny sampana mpitsikilon’i Corée du Sud.

Laisser un commentaire