ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Tokantrano miisa 1076 no hisitraka ny jiro « brachement mora »

Nanomboka tamin’ny omaly talata ny fametrahana ny jiro isan-tokantrano, branchement ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ho avy eny an-tokantranon’ireo mpisitraka, nahafeno ny fepetra araka izany ireo tomponandraikitra hametraka izany.

« Manomboka ny fametrahana isan-tokantrano ny brachement mora. Tokantrano manodidina ny 1080 no hisitraka izany ato anatin’ny kaominina. Ity moa dia tetikasan’ny filoham-pirenena, hanomezana hazavana ho an’ny rehetra ary hiarahana miasa amin’ny orinasa jirama sy ny ministeran’ny angovo sy ny akoranafo » hoy ny tomponandraikitra.

« Efa ela no niandrasana izao tetikasa izao. Hisaorana ny kaominina amin’ny fikarakarana sy ny fandraisana an-tanana, amin’ny fanaovana adisisika ka nahafahana nisitraka izany tetikasa izany » hoy i Fanja, renim-pianakaviana.

Marihina moa, fa ny orinasa Gamma Power no manao izany asa fametrahana ny branchement mora ao an-toerana.

Laisser un commentaire