ActualitésPolitiqueTatitra

Suisse: Mpianatra “propalestiniens” dimampolo isa voaroaka tao amin’ny oniversiten’i Genève

Omaly, vao marainan’ny talata no tonga tao amin’ny oniversiten’i Genève, izay nisy ireo mpianatra palestinianina nanao fihetsiketsehana sy tsy nanaiky ny fandaminana napetrak’ireo tomponandraikitra, ireo polisy tao Suisse, mba handroaka ireo mpianatra efa ho dimampolo isa mahery tao an-toerana. Vao mangiran-dratsy no tonga tao an-toerana  ny polisy roapolo mahery, niaraka tamin’ny fanamiana sy sivily, niditra tao amin’ny efitrano UniMail. Mbola natory ny ankamaroan’ireo mpianatra mpanao fihetsiketsehana tamin’izany no nasaina niangona ka navoaka teny amin’ny toerana fiantsonan’ny fiara. Teo ivelany, dia nisy ireo vondrona niandry sy niantsoantso ho famelana ireo namany palestinianina. Ankoatra izay, nisy ireo nilaza fa nahita tamin’ireo mpianatra voatazona tamin’ny « menottes » ary nalefa tao anaty fiara lehibe. Ity hetsiky ny mpianatra ity moa dia misy hifandraisany amin’ny ady, indrindra ny fanafihana ataoan’Israely amin’i Gaza.

Laisser un commentaire