ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Ao anatin’ny fikaroham-bahaolana amin’ny famatsiana rano fisotro madio

Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ambohimangakely sy ny sampan-draharaha hitadiavam-bahaolana momba ny rano fisotro madio ao an-toerana. Nisy ny fiaraha-midinika teo amin’ny roa tonta tamin’ity herinandro ity mahakasika izany.

« Fitadiavana vahaolana mahakasika ny famatsiana rano fisotro madio no tanjona ao anatin’izao fiaraha-miasa izao, mba samy hisitraka izany avokoa ny mponina manerana ny kaominina » hoy ireo tomponandraikitra.

« Raha ny resaka rano ety amin’ny kaominina dia tena mbola mila ezaka. Ilaina foto-drafitr’asa mihitsy izany mba hisitraka izany avokoa ny rehetra, indrindra fa ny rano fisotro madio ara-pahasalamana » hoy i Anja, mponina ao Ambohimangakely.

Nidina nijery ifotony ny momba ireo olana teny ifotony moa ireo tomponandraikitra tamin’ity fotoana ity.

Laisser un commentaire