ActualitésSocialTatitra

France: Dimy lahy voampanga noho ny fananganana sora-baventy manohitra ny fifindra-monina

“Miverena any Afrika” io no soratra lehibe  nasehon’ireo dimy lahy noho ny tsy fankasitrahana ny fisian’ireo mpifindra monina mankao Marseille, France. Ao Marseille amin’izao fotoana, dia misy fikambanana SOS Méditerranée, izay miasa sy mijoro mba hanavotra ireo mpifindra monina, indrindra tra-doza an-dranomasina noho izany fifindramonina izany, ka mitady vola amin’ny alalan’ny sehon-tsehatra mba hanangonana vola hatramin’ny 100.000euros. Manoloana io, dia nanangana ity sora-baventy ity ireo dimy lahy noho ny tsy fankasitrahan’izy ireo izany, ka nataony mifanila amin’ity toerana misy ny fikambanana ity ny sora-baventy entin’izy ireo manohitra izany. Nipatrika nanerana ny tambajotra sosialy izany taoriana kely. Voasambotra kosa ireo dimy lahy ka nanaovana fanadihadiana ka anisan’ny antony nanaovan’izy ireo izany fihetsika izany ny fanavakavaham-bolon-koditra.

Laisser un commentaire