Actualités

Torohevitra : Tena ilaina tokoa ny radriaka

Betsaka ny tsy mahalala akory ny tena ilaina ny radriaka (corbeille d’or). Mitondra zava-tsoa maro anefa izy indrindra eo amin’ny fahasalamana. Rehefa mahatsiaro mavesabesatra ny hatoka na fanina dia tena ilaina ny radriaka. Mahavonjy tampoka tokoa mialohan’ny tena fitsaboana avy amin’ny mpitsabo izy mba hampitony aloha.

Kosehina amin’ny tanana ny ardriaka dia fofonina avy eo safoina amin’ny hatoka. Azo tenehina ihany koa. Maka raviny 7 isika dia tanehina amin’ny rano 2 kaopy. Misotro 1 kaopy dia mitsahatra ny fanaintainana. Tsara foana ny manantona mpitsabo aorian’izay.

Laisser un commentaire