SocialTatitra

France: Olona roa farafahakeliny no maty noho ny fanafihana fiara mpitondra voafonja

Mpiandry fonja roa farafahakeliny no maty tany Eure, France, nandritra ny fanafihana ny fiara mpitondra voafonja niseho omaly. Ankoatra izay, vaky nandositra ka tsy mbola hita ny fiara nanafika ity niaraka tamin’ny gadra iray. Miisa roa ireo fiara tsikaritra nandritra izany fanafihana izany. Ny iray tamin’ireo, rehefa natao ny fanarahan-dia dia hita may kila tamin’ny lalana tany an-toerana, ny iray kosa tsy mbola hita popoka. Araka ny voalaza ihany koa dia nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ireo mpanafika ireo.

Laisser un commentaire