Mayotte : Fazade Ali Mdahoma, tovolahy manan-talenta amin’ny fanaovana sary
Nampirantian’i Fazade Ali Mdahoma, 15 taona nandritra ny fampirantiana zava-kanto « Petit Prince » tao amin’ny kolejiny ny asa tanany. Nampitolagaga ny maro ny fahaizany ary nanao fampisehoana moa izy nandritra izany ka nahavarina ny rehetra ny hakingany miaraka amin’ny pensilihazo.
Tamin’ity taom-pianarana ity i Fazade Ali Mdahoma vao nanatevin-daharana io sekoly fianarana zavakanto saingy raha ny fanazavany dia vao 4 taona monja izy dia efa nanomboka nanao sary. Efa an-tapitrisany hoy izy ny sary vitany tao anatin’izany.
Sary ny «petit prince» kosa no sanganasa fototra (pièce maitresse) nampirantian’i Fazade Ali Mdahoma tena nankafizin’ny rehetra.
