ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Notokanana ny EPP Ambohitrandriamanjaka

Notontosaina tamin’ny herinandro teo ny fitokanana ny sekoly ambaratonga fototra (EPP) ao Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova. Tonga nitokana izany tao an-toerana ny filohan’ny antenimieran-doholona, Herimanana Razafimahefa sy ireo manampahefana maro, araka ny voalaza.

« Niara-nisalahy tamin’ny fanorenana ity EPP ity ny fikambanana Manohisoa, ny « Fondation Espoir » ary ny « Canal plus Madagascar ». Nisitraka « forage » mba hahafahan’ireo mpianatra midio sy misotro rano madio ihany koa ny sekoly. Nohatsaraina ny efitranon’ny talen-tsekoly sy ny efitrano hianaran’ny garabola, ny « médiathèque » ary ny efitrano fisakafoanana » hoy ny filohan’ny antenimieran-doholona.

« Fanoitra lehibe amin’ny kalitaon’ny fanabeazana ny fahavitan’ny foto-drafitr’asa izao, hisaorana lehibe ireo mpiara-miasa, niara-nisalahy tamin’ny fanamboarana sy ny fitondrana fanavaozana ny sekoly » hoy ny sefo Cisco ao an-toerana.

Ny fiarana no lova tsara indrindra, hoy ny fitenena, zava-dehibe amin’ny fampandrosoana, indrindra ny eny ifotony ny fahavitana sekoly tahaka izao. Ilaina ny fanohanana ny mpianatra, ka ny fanohanana eo amin’ny foto-drafitr’asa sy ny famaliana ny filàna ara-materialy no mila himasoana.

Manitra R.

Laisser un commentaire