Etats-Unis : Chronicle Cremation Design, Orinasa manodina ny lavenon’ny faty
Orinasa iray natsangan’i Justin Crowe ao Nouveau Mexique ny Chronicle Cremation Design. Manodina ny lavenon’ireo olona nodimandry ho lasa fitaovana azo ampiasaina indray toy ny lovia, lovia baolina, kôpy, firavaka, fitoerana labozia no andraikitr’io orinasa io.
Raha ny fanazavan’i Justin Crowe dia ny fahamoizany ny raibeny no nahatonga io hevitra io nitsiry tao aminy. Nitady fomba mbola nampidirana ny raibeny tamin’ny fiainana andavanandro izy raha ny fanamafisany ka nanapa-kevitra ny namadika ny lavenony ho fitaovana azony ampiasaina sy eo anilany mandrakariva.
Raha misy manam-paniriana ny hanao toy i Justin Crowe dia alefa any amin’izy ireo ny lavenon’ireo maty, avadik’izy ireo ho « céramique » anaty lafaoro mamay eo amin’ny 1315° eo izany ary volavolaina ho lasa fitaovana azo ampiasaina. Mitentina 139 hatramin’ny 600 euros (700.000 Ariary hatramin’ny 3.000.000 Ariary eo) kosa ny saran’izany, miankina amin’ilay fitaovana hangatahan’ny fianakaviana ho havoaka.
Efa maherin’ny 200 isa ny fianakaviana nanantona ny orinasa Chronicle Cremation Design hatreto raha ny tatitra.
