ActualitésTsidika

Banky Foiben’i Madagasikara : Natolotra omaly 19 Jona ilay volamena miendrika vola dimam-polo Ariary

Omaly  19 Jona 2023  nandritry ny  lanonam-pankalazana ny jobily   faha 50 taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara ( Jobily volamena) teo Antaninarenina  no nanolorana ilay « dimam-polo volamenan’i Madagasikara » voalohany.

Mba ho fanantevenana sy fanatsarana ny tahirim-bolamenan’i Madagasikara  dia namolavola izao  fanamboarana   volamena maka endriky ny vola 50 Ar izao ny  avy amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Paik’ady ekonomika goavana tokoa ity  tetik’asa ity ka nohezahina indrindra natao nanaraka  ny fenitra iraisam-pirenena takian’ny  London Billion Market Association  ilay vola dimam-polo volamenan’ny  Banky Foiben’i Madagasikara.

Nanamafy Andriamatoa  Aivo Andrianarivelo, governoran’ny  Banky Foiben’i Madagasikara  fa nisy ny fifanaovan-tsonia niaraka tamin’ny Ministeran’ny  Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanonkarena Stratejika mba ho fampanarahan-dalana ny sehatry ny volamena  sy ny fanomezan-danja ny  loharanon-karena Malagasy.

Raha tsiahivina dia ny orinasa  Instanbul Gold Refinery no nanonta ity vola ity ny  30 May  2023 lasa teo. Anterina ihany koa fa endrika nalaina fotsiny ihany ilay vola dimam-polo (50Ariary ) fa tsy mitovy ny sandan’ity vola vita amin’ny volamena ity  sy ny vola 50 Ar. Milanja  1 Oz kosa ny iray amin’ity vola volamena ity  ary ny vidny   dia hiankina amin’ny vidin’ny volamena eo amin’ny tsenam-bolmena iraisam-pirenena. Ankilan’izay dia hamafisina hatrany fa ny vola 50 Ar dia  mbola azo ampiasaina manerana an’i Madagasikara.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire