ActualitésTatitra

Comores : Hilatsaka ho fidiana i Saïdali Ibouroi

Nanapa-kevitra i Saïdali Ibouroi antsoina ihany koa hoe John Baloz fa hilatsaka kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ao amin’ny nosy Comores taona 2024. Mpikatroka ara-politikan’ny mpanohitra izy saingy tsy mbola nikatsaka ny ho fidiana hatramin’io fanambarana nataony io.

Nanasongadina ny vinany momba ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny kosa izy, ny fitiavan-tanindrazana ary ny faniriany handray ny fahefana amin’ny alalan’ny fandatsaham-bato. Miantehitra amin’ny fandraisan’anjaran’ny vahoaka kosa izy hanohana ny fampielezan-keviny eo amin’ny lafiny ara-bola raha ny fanazavany.

Tompon’andraikitry ny serasera ny Inter-îles air (orinasam-piaramanidina) sy ny Johanna Import ary ny Johanna Livingstone (orinasa ara-barotra) kosa i Saïdali Ibouroi.

Laisser un commentaire