ActualitésTsidika

Fizahan-tany : Handray mpizaha-tany avo telo heny noho ny amin’izao i Madagasikara amin’ny 2028

Efa mivonona amin’ny fandraisana mpizahatany mitombo noho ny amin’izao ireo mpisehatra sy ny Ministera amin’izao fotoana izao. Vinavinaina huitombo avo roa na telo heny amin’ny isa amin’izao fotoana ny mpizahatany ny taona 2028.

Fanamboarana sy fanampiana ary fanorenana fotodrafitr’asa ho amin’izany no himasoan’ny Ministeran’ny fizahanatany amin’izao fotoana izao. Sehatra iray hahafahana mampiditra vola sy harena maro ho an’ny Madagasikara ny fizahantany izay tsy mety lefy laza noho ny fahatsaran’ny tontolo misy eto Madagasikara izay afaka mifaninana amin’ny firenena maro any ivelany any. Ilaina mba hanara-penitra sy ampy anefa ireo fotodrafitr’asa handraisana ireny vahiny ireny hahafahana misintona azy ireny hatrany ho tonga aty.

« Ny fanampiana ny resaka fitaterana anhabakabaka no tokony himasoana voalohany aloha, tokony hampiana ireo seranam-piaramanidina izay handraisana ireo olona tonga. Vahaolana iray ihany koa ny hampitomboana ny “vols” rehetra, tetik’asa ohatran’izany no tadiavina hahafahana manatratra io isa izay tiana ho tratra io », hoy i Joel Randriamandranto, Minisitry ny Fiozahantany.

« Ireo foto-drafitr’asa fandraisam-bahiny ihany koa dfia tokony hampitomboana sy hampanarahana ny fenitra satria tena tsy ampy ireo ka lasa misalasala ireo vahiny na ny toerana mba hipetrahany aza tsy misy. Manodidina ny efitrano miisa 40 000 eo ho eo no tokony mbola hampiana », hoy hatrany ny fanazavana.

Maro ny fomba sy ny fikafika ataon’ny Madagasikara hisintomana mpizahantany maro, ao anatin’izany ny fitrandrahana karazana fizahantany maro isan-karazany. Nambara sy novemabelarina izany nandritra ny Choisel Africa Business Forum any Maroc ka nandritra ny fotoanan’ny « Invest in Madagascar » izay niantsoana ireo izay te handraharaha mahakasika io fizahantany io aty an-toerana.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire