Taranja Rugby: Tanjona telo lehibe no miandry ny Makis Ladies any Afrika Atsimo
Any Afrika Atsimo amin’izao fotoana izao ireo solontenan’ny Makis Ladies izay hiatrika ny World rugby sevens challenger series. Hotanterahina ny 20 hatramin’ny 22 aprily izao izany lalao izany. Tafiditra ao anatin’ny lalao fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany rugby lalaovin’olona fito amin’ny taona 2024 ity hatao ity.
“Miisa 13 ny mpilalao any an-toerana miaraka amin’ireo mpanazatra miisa telo izany. Miisa telo ny ezaka lehibe hanatanterahana ity lalao ity dia amin’ny maha lalao World rugby sevens challenger series azy, eo ihany koa ny vinavina ny hahafahana mandray anjara fanindroany amin’ny fihaonana an-tampon’ny kaontinanta any Afrika Atsimo ary indrindra indrindra ity lalao ity dia lalana hahafahana miatrika ny fiadiana ny tompondaka eran-tany rugby lalaovin’olona fito amin’ny taona 2024”, hoy ny avy ao amin’ny Federasiona.
“Mafimafy izany ady izany satria enjeux telo be izao no antony handehanan’izy ireo any. Tena mila herin-tsaina izany satria raha sanatria ambany ny moraly amin’ny lalao izay hatao dia tsy hisy hery enti-miady mihitsy; Lehibe ny tanjona ka mila ny fanohanan’ny tsirairay izy ireo miaraka amin’izany”, hoy ny Mpanazatra amin’ny Klioba hafa iray.
Toy ny fanohanana ny barea hatrany dia eo ihany koa ny Makis izay mpiaro ny voninahi-pirenena ka ilaina ny fanohanana amin’ny fomba rehetra azy ireo. Alefa Makis Ladies.
Miora Raharisolo
