AUF Faravohitra : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « ma thèse en 180 sécondes »
Dépêche 05 avril, 12h, Manomboka ny fisoratana anarana amin’ny andiany fahaidmy amin’ity hetsika ara-pahalalana iray ity dia ny « ma thèse en 180 sécondes » izany. Tao amin’ny AUF Faravohitra no nanamarihana ny fanombohana izany. Mifarana ny 9 aprily izao ny fara-fisoratana anarana amin’izany. Ny fifaninanana dia manome fahafahana manokana ho an’ny mpandray anjara mba hahafehezany ny fahaizana miserasera sady hanampy azy ireo hanaparitaka ny fikarohana ataony eo amin’ireo mpanatrika rehetra. Hanomboka amin’ny isam-paritra ny fifaninanana, hitohy amin’ny fifaninanam-pirenena ary hifarana amin’ny iraisam-pirenena. Marihina efa nahazoan’ny Madagasikara medaly miisa roa ny fandraisany anjara tamin’izany.
