Mandroseza Ankadindratombo: Lehilahy nilomano naletiky ny rano tsy hita popoka
06 Janoary, 08h30. Lehilahy iray nilomano tao amin’ny barazy Mandroseza Ankadindratombo ny 5 janoary teo tamin’ny 01 ora sy sasany no naletiky ny rano ary tsy nipoitra intsony. Eo an-dalam-pikarohana io lehilahy io ny olona ankehitriny. Miakatra ny rano eny amin’iny faritra iny amin’izao vanim-potoana filatsahan’ny orana izao ary mahery dia mahery ny onjany.
