Covid-19: Miantso ny oniversite tsirairay hanaja ny fepetra sakana ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika
06 Janoary, 08h00. Anjaran’ny komity siantifika eny anivon’ny oniversite tsirairay ny mandinika ny mety hanemorana na tsia ny fanombohan’ny taom-pianarana hotontosaina ny 10 janoary izao. Manomboka manahy ny amin’ny hanjo ny mpianatra manoloana ny firongatry ny valanaretina indray eny amin’ny ambaratonga fototra sy faharoa eto Analamanga sy Vakinankaratra izy ireo taorian’ny fanemorana ny fiandohan’ny fizarana fahatelo amin’ny taom-pianarana 2021-2022. Efa tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny 5 janoray teo nefa fa mihemotra amin’ny faha 17 Janoary ihany koa ny fidirana eny anivon’ny anjerimanontolo.
