RN13: Ho amboarina manomboka 17 Jona
13 Jona, 08h00. Ny Zoma 17 Jona 2022 izao no fanombohana ara-pomba ôfisialy ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13 miainga ao Ambovombe. Ny Sabotsy 18 Jona kosa ny fanombohana miainga ao Taolagnaro. Marihana fa ny lalam-pirenena RN13 dia anisan’ireo lalana nampijaly sy nampikaikaika ny vahoaka izay isan’ny tsy nampandroso ny tany amin’ny Faritra Atsimo ampolotaonany maro.
