Mahajanga : Tambazotran-jiolahy tratra
13 Jona, 09h00. Tambazotran-jiolahy mpangalatra moto sy Bajaj tao Mahajanga no saron’ny polisy ny herinandro lasa teo. Efa natolotra ny fitsarana izy ireo taorian’ny fanadihadiana natao taminy. Efa maro ny taratasy fitoriana nanenjika ireo jiolahy izay niaiky ny helony nandritra ny famotorana azy ireo.
