Vontovorona : Nanolotra fanampiana ireo mpianatra tra-boina ny maintimolaly
Dépêche 16 janvier, 13h, Tonga tsy nanadino ny Mpianatra teny anivon’ny Politeknika ireo avy ao aminy « Réseau ESPA » ikambanan’ ireo maintimolaly nivoaka teny anivon’ny sekoly na ny eto antoerana na ny any ivelany. Tonga nanolotra vary iray gony, menaka 2 tavoahangy, cahier maromaro ary stylo isambatan’ olona may trano izy ireo. Nandritra izany no nampaherezan’ireto zoky ireo mpianatra teny an-toerana. Raha tsiahivina moa dia nitrangana fahamaizana ny trano fonenan’ireto mpianatra ireto ka maro ireo sahirana tamin’izany. Ankoatra ireto maitimolaly ireto dia efa tonga teny an-toerana ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fampianarana ambony nitondra ny anjara birikiny ihany koa.
