Fizahantany : Hampiroboroboana ny fiarovana ny tontolo iainana ho amin’ity taona 2023 ity
Dépêche 16 janvier, 15h, Manavao ny fomba fiasa ny fikambanana sy ny toerana rehetra ry ny sehatra isan-karazany rehefa fiantombohan’ny taona toy izao. Ansian’izany ny sehatry ny fizahantany izay hanome vahana ny fampiasam-bola ho fiarovana ny tontolo iainana. Manolona izany ihany koa dia manaraka ny lohahevitra hoe : « tourisme et investissements verts » ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany amin’ity taona 2023 ity. Raha tsiahivina dia voasafidy ho toerana maitso tsara tsidihina indrindra i Madagasikara.
