La Réunion : Mbola tsy azo andehanana ao amin’ny tora-pasika ao Tremblet
Nampatsiahy ny ONF fa mbola tsy azo handehanana ao amin’ny tora-pasika ao Tremblet, ao atsimo-atsinanan’ny nosy La Réunion. Antony ny mbola hitoeran’ilay cargo Tresta Star ao an-toerana.
Raha tsiahivina dia rendrika teo akaikin’ny seranan-tsambo taloha tao Tremblet io sambo mpitatitr’entana Tresta Star io tamin’ny volana febroary 2022. Manoloana izany dia nakaton’ireo tompon’andraikitra ny lalana rehetra mihazo ny toerana mandrapiandry ny fanesorana ny sambo.
