ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Mila jerena akaiky ny fomba fiasan’ireo zotra fitaterana vaovao ao an-toerana

Zotra vaovao izay mampitohy ny kaominina Ambohimangakely amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy ity zotra H ity. Vao amam-bolana maro izao no niasany sy nitateran’izy ireo ny mponina tao an-toerana, kanefa maro ireo efa tsy manara-dalàna sy tsy manaja ny mpandeha aminy, raha ny voalaza.

« Zavatra iainan’ny mpandeha matetika ary hita amin’ny fomba fiasan’izy ireo, tena mijanona ela amin’ny toeram-piantsonana. Misy mihitsy aza ireo tsy miala eo raha tsy feno mpandeha ao anatiny. Ankoatra izay, dia manary mpandeha, tsy tonga hatramin’ny farany aleha dia esorin’ireo mpamily sy mpanampy azy hihidina an-dalana » hoy i Zoly, mpandeha amin’ny zotra.

« Ny zavatra angatahan’ny mpanjifa sy ny mpandeha dia ny fametrahana tompon’andraikitra misahana ny zotra sy hanara-maso ny fomba fiasan’ireo mpitatitra. Eo ihany koa ny fametrahana ireo mpanara-maso (contrôleur) mba hanara-dalàna ny mpitatitra tsirairay » hoy i Dina, mpiaro ny zon’ny mpandeha.

Fiaraha-miasa teo amin’ireo kaominina roa tonta moa no nisian’ity zotra miasa ao ana-toerana ity. Tanjona tamin’izany ny hanamora ny fiveziven’ny mponina ary hanatsara ny lafin’ny fitaterana. Miandry ny fandraisana fepetra avy amin’ireo tompon’andraikitra araka izany ny mponina mba hanatsarana ny kalitao omen’ity zotra ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire