Tontolo iainana : Nihemotra ny fanombohana ny taom-pambolen-kazo 2023
Dépêche 16 janvier, 14h, Araka ny efa fantatra dia tokony ho ny 19 janoary izao no nanombohana ny taom-pambolen-kazo ho amin’ity taona 2023 ity izay tokony nankalazaina tao Vatomandry. Nahemotra ho amin’ny 28 janoary izao indray izany noho ny vinavina hisian’ny andro ratsy izay mitady hitoetra ao amin’ny Ranomasim-be Indianina. Araka ny fanambarana avy amin’ny Météo Madagasikara dia misy izay andro ratsy mitady hiforona izay ary efa araha-maso akaiky amin’izao fotoana izao.
