Fenoarivo Antsimondrano : nandriaka ny rà
Olona miisa roa naratra mafy voatifitry ny jiolaht teo amin’ny sorony sy ny sandriny nandritry ny fanafihan-jiolahy nitamp-piadiana tao amina tokantrano iray tao Ambohijatovo, kaominina ambanivohitra Fenoarivo distrikan’Antsimondrano afakomaly. Dahalo 10 lahy eo ho eo no niditra an-keriny tao an-trano raha ny fitantaran’ireo lasibatra. Nisy ny niandry teo ivelany ka avt dia notifirin’izy ireo ny varavarana, naratra ny lehilahy iray teo amin’ny sorony, naratra teo amin’ny tanany kosa ny vehivavy iray. Nanambana basy avy hatrany ireo olon-dratsy raha vao tafiditra tao an-trano. Finday miisa 3 ihany no nalain’ireo jiolahy, tsy naka entana sarobidy izy ireo. Nitsoaka ireo jiolahy taorian’izay, ary efa nentina teny amin’ny hopitaly HJRA ireo naratra. Tsy mbola misy ny voasambotra n’a ahiahiana amin’izao fanafihana izao.
