SocialTatitra

Afghanistan : Sivily enina novonoin’ny jiolahy tao amin’ny moske iray tao Herat

Olona enina no maty ary iray naratra tamin’ny fanafihana nataon’ny jiolahy nitam-piadiana, tao amin’ny moske iray ao amin’ny faritr’i Herat, any andrefan’i Afghanistan. Ny alatsinainy tamin’ny 9 ora alina ora tany an-toerana, olona tsy fantatra iray no nitifitra ireo mpivavaka tao amin’ny moske ao amin’ny distrikan’i Guzara, tokony ho efapolo minitra any atsimon’ny renivohitry ny faritany Herat. Matetika no hisehoan’ny fanafihana sy ny fampihorohoroana ity tanàna ity. Mandefa fampilazana anefa ireo mpampihorohoro, izay mikendry matetika ny vondron’i Chiite ; saingy tamin’iny talata marainateo, dia tsy nisy izany fampilazana izany.

Laisser un commentaire