ActualitésTatitra

Etats-Unis : Steven Seagal, mpanao « aïkido » tsy mety resy mihitsy

Teraka ny 10 aprily 1952 tao Lansing ao Michigan i Steven Seagal. Mpilalao, mpamokatra, mpanatontosa, mpanoratra horonantsary ary mpihira sy mpitendry zava-maneno manana ny zom-pirenena ao Amérique, Russie ary Serbie izy. Anisany tena nahafantarana an’i Steven Seagal ny fikatrohana aïkido. Marihana fa septième dan amin’ny aïkido ny tenany. Izy no teratany vahiny voalohany tompon’andraikitra dojo tao Japon.

Tany amin’ny faran’ny taona 1980 vao namiratra teo amin’ny tontolon’ny horonantsary miadiady i Steven Seagal. Nakao Taos, Nouveau-Mexique niaraka tamin’ny mpianany Craig Dunn, izay cascadeur, ary nanangana dojo izy ireo, saingy tsy nifantoka firy tamin’ny tetik’asa i Steven Seagal. Rehefa avy nandalo tao Japon izy dia niverina tao Etats-unis tamin’ny taona 1983 ary nanokatra dojo Aïkido tao Burbank talohan’ny nakanesany tao West Hollywood. Io fifaneraserany tamin’i Hollywood, ivo-toeran’ny horonantsary io no anisany nanombohany teo amin’ny tontolon’ny horonantsary.

Efa mpikambana taoa min’ny fiandraiketana ny filaminana ao amin’ny fiangonana Jefferson tao Louisiane ihany koa izy.

Laisser un commentaire