ActualitésTatitra

Espagne : Tsy misy tonony ny hiram-pirenena

Hiram-pirenena sady hiram-panjakan’i Espagne ny « Marcha Real ». Anisan’ireo hira faneva ofisialy tranainy indrindra eran-tany mbola ampiasaina miaraka amin’ny an’i Japon izany.

Anisany mampiavaka io hira faneva io ny tsy fanany tonony ofisialy na dia efa nisy nohezahina nanoratana aza izany. Ny volana jona 2007 mantsy dia nikarakara fifaninana ny « Comité olympique espagnol » nitadiavana izany tononkira mety nampiasaina tamin’io hira io saingy tsy nisy valiny ny fifaninanana.

Tamin’ny taona 1761 kosa vao niraiketina an-tsoratra voalohany ny mozikan’io hira io tao amin’ny firaiketana « El libro de Ordenanza de los toques militares de la Infantería Española » (Le livre des sonneries de l’infanterie espagnole) nosoratan’i Manuel de Espinosa ary nampitondrainy ny lohateny hoe « Marcha Granadera » (la Marche des grenadiers).

Laisser un commentaire