ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Olona miisa 113 nisitraka ny fanomezana sora-pahaterahana sy kara-panondrom-pirenena

Ny talata lasa teo no nanatontosana ny hetsika fanomezana sora-pahaterahana sy karapanondrom-pirenena ho an’ny olom-pirenena 18 taona no mihoatra, tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Maimaim-poana ny hetsika raha ny voalaza ary olona miisa 113 manerana ireo fokontany 18 mandrafitra ny kaominina no nisitraka izany.

“Zava-dehibe loatra ny fananana ireo taratasy roa ireo, izay zo fototra maha-olom-pirenena ka hahafahana manatanteraka sy misitraka feno ny adidy aman’andraikitra eto amin’ny firenena” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

“Natolotra ireo nisitraka izany avy hatrany ny karatra sy ny kopia, izay vita teo no eo ary nampidirina ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ireo mpisitraka. Ankoatra izay moa afaka nanao vaksiny covid-19 ihany koa izay rehetra vonona ny amin’izany nandritra ny hetsika” hoy hatrany ireo avy amin’ny kaominina.

Tsiahivina fa ity hetsika ity moa izay karakarain’ny avy amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, izay miara-misalahy amin’ireo minisitera isan’ambaratongany avy, miaraka amin’ny distrikan’Avaradrano.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire