ActualitésTatitra

Equateur : Tsy naharitra ela ilay vehivavy nitsangana tamin’ny maty

Raha tsiahivina dia vehivavy iray, 76 taona antsoina hoe Bella Montoya no nifoha tao anaty vata-patiny nandritra ny fanaovam-beloma azy ny 6 jona teo. Nisarika haino aman-jery maro io tranga io ary nisy aza ireo nilaza fa nitsangana tamin’ny maty io renim-pianakaviana io.

Nanao fanambarana nefa ny ministeran’ny fahasalamana tao Equateur andro vitsivitsy taorian’ny nisehoan’ny tranga fa namoy ny ainy i Bella Montoya. Taorian’ny nifohazan’ity farany tao anaty vata-patany dia notanana tao amin’ny trano fameloman’aina izy saingy lavo noho ny fahatapahan’ny lalan-drà tao amin’ny loha.

Mbola tsy nisy kosa ny fanampim-panazavana nomen’ny tompon’andraikitra momba ny fahatesana diso voalohan’io vehivavy io.

Laisser un commentaire