Tsidika

Téléphérique Antananarivo: mitohy ny fananganana ny foto-drafitrasa etsy Anosy

Ny 20 Jona lasa teo dia nisy ny fitsidihana ifotony nijerena ny fizotry ny asa fanatanterahana ilay “fitaterana an-taroby” etsy Anosy Antananarivo.  Ny avy ao amin’ny SENVH, Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana izay misahana ity tetikasa ity no nanatanteraka ny fitsidihana ka nanotrona azy tamin’izany ihany koa ny avy ao amin’ny orinasa COLAS. Mandalo eto Madagasikara moa ankehitriny ny Tale jeneralin’ ny orinasa POMA izay tompon’andraikitry ny fampitaovana ny tetikasa téléferika ka anisany nanatanteraka ny fitsidihana ihany koa izy ireo.

Mikasika ny fizotry ny asa dia “Pylônes” 2 eo Anosy sy Ampefiloha no an-dalam-pananganana ny “fût métallique” ary eo am-panaovana ny fototra “béton” kosa ny pylônes 5 ambiny manelanelana an’Anosy sy Soarano. Ankehitriny dia miroso amin’ny asa fanorenana ny gara sy ny garazy “cabines” eo Anosy ihany koa izy ireo. Fa araky ny fampitam-baovao ihany koa dia maro ny asa hanomboka atoato toy ny gara Soarano izay sady mifandray amin’ny gara “train urbain”, gara 5 sy ”pylones” 44  ambiny kosa  eo Soarano hatrany Ambatobe.

“Miroso hatrany isika amin’ny fanatanterahana ny asa fanorenana, satria dia efa tonga eto an-toerana ankehitriny ireo fampitaovana voalohany toy ny “cabine témoin” ary ho avy tsy ho ela koa ny fitaovana ambiny.”Hoy ny fanazavan’ity teknisianana manam-pahaizana manokana ity.

Mbola maneho ny heviny hatrany ihany koa etsy an-danin’izay  ny olon-tsotra mahakasika ity fitaovam-pitanterana vaovao ity,toa an’i Emilie izay mpianatra dia nilaza izy fa “tena tsy natao ho anay mbola mpianatra ity téléferika ity fa tsy takatry ny fahefa-mividy ny sarany, fa mba te hanandrana handeha aminy kosa anefa rehefa vita an”. Raha ny voalazan’ny tompon’andraikitra ihany dia ho atao manaraka ny fenitry ny fitaterana an-tanan-dehibe ity fitaterana an-taroby  eto Antananarivo ity.

Ny olom-pirenena tsirairay kosa dia mizarazara hevitra sy fomba fijery hatrany mahakasika ny fampidirana ity fitaovam-pitanterana vaovao ity eto Madagasikara.

 Miranto Andrih

Laisser un commentaire