Himalaya : Miha haingana ny fitsoniky ny ranomandry
Ny fiovan’ny toetrandro dia mandrahona ny fisitrahan’ny olona 2 miliara isa rano araky ny fanadihadiana siantifika nataon’ny International Centre for Integrated Mountain Development. Nilaza ihany koa izy ireo fa manoloana io tranga io dia niha haingana ny fitsoniky ny ranomandry tao Himalaya teo anelanelan’ny taona 2011 sy 2020.
Niakatra 65% izany raha nampitahana tamin’ny 10 taona lasa farany raha ny fanazavana. Mbola tsy mitsahatra miha haingana nefa izany fitsoniky ny ranomandry izany raha ny fanamafisan’ny tompon’andraikitr’io fikarohana io, Philippus Wester. Na mihena 1,5°C hatramin’ny 2°C aza ny fiafanan’ny tany dia hitsonika tanteraka ny iray ampahatelo na ny antsasaky ny ranomandry ao an-toerana any amin’ny taona 2100 any hoy izy.
