ActualitésTsidika

Mizotra miandalana ny fanomanana ny Baccalauréat

Hotanterahina manerana ny nosy ny alatsinainy 09 ka hatramin’ny zoma 13 aogositra ho avy izao ny fanadinana bakalorea amin’ny ankapobeny sy ny fizarana voalohany ho an’ireo sokajy teknika, izy io no fanadianam-panjakana hamarana ity taompianarana 2020-2021 ity. Miisa 196 084 mianadahy ireo mpiadina tamin’ity taona ity ary efa ao anatin’ny famerenana tanteraka izy ireo amin’izao fotoana izao.

Raha araka ny lamina tokony ho izy dia tokony efa samy naharay eo ampelatanany ny tataratasy fiantsoana azy na ny « convocation » avokoa ireo mpiadina rehetra tsy ankanavaka. Misy ihany anefa ireo sekoly misafidy ny tsy anome izany ireo mpiadina ao aminy raha tsy ny zoma izao, izany no natao dia « mba isorohana ny fahaverezana sy ny mety ho fahasimban’ny taratasy fiantsoana » raha nanatona tompon’andraikitra iray teo amin,ny sekoly tsy miankina teto Tsimbazaza izahay.

Nanambara kosa anefa etsy ankilany ny teo anivon’ny Office du Baccalaureat fa « raha sanatria nisy ny fahaverezan’ny taratasy fiantsoana na koa sanatria tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana mihitsy ilay mpaidinadia azony atao ny mangataka dika mitovy na duplicate any amin’ny Office du Baccalaureat eny Ankatso » mialohan’ny andron’ny fanadinana. Araky ny voalazan’ireto farany ihany dia hisy ny « service de permanence » eo anivon’ity sampana miandraikitra ny Bakaloreat ity ny asabotsy 07 sy alahady 08 aogositra ho avy izao mba hitsinjovana ireo mpiadina sendran’ireo olana voalaza etsy ambony.

Mahalasa saina ireo ray aman-dreny anefa amin’izao fotoana ny hoe : ny taom-pianarana ho an’ireo hafaka bakalorea tamin’ny taom-pianarana 2019-2020 ary mbola tsy niatomboka akory ny ankabehazany raha ny eny Ambohitsaina manokana no tsongaina,fahatarana izay nateraky ny fitokonana sy ny kirizy ara-pahasalamana dia efa ho avy sahady ny mpianatra manaraka. Hiara atambatra taom-pianarana iray ve izany ireto andihany roa ireto « promotion 2019-2020 sy ny 2020-2021 » ?

Fanja Rakotoarisoa

Laisser un commentaire