Covid-19 : Ambany ny tahan’ireo olona nahavita vaksiny
Nandritra ny lahateny nataon’ireo tompon’andraikitra eo amin’ny Minisiteran’ny fahsalamam-bahoaka, no nanambarany fa ny antsasakin’ny vahoaka Malagasy ihany no nahavita ny vaksiny fanefitry ny aretina coronavirus hatramin’izao. Mbola tsy resy tsy akory ny valan’aretina covid-19 na dia efa miverina amin’ny fianana andavan’andro aza ny faritra rehetra manerana ny Nosy.
Etsy andaniny, manao tohivakana ny famatsiana vaksiny maimam-poana avy any amin’ireo firenena mpiara-miasa, ary misy karazany maro izany. Raha tsihahivina, ny alatsinainy 25 oktobra lasa teo no tonga ny vaksiny avy any Etats-Unis, izay fiaraha-miasa andiany faharoa amin’ny famatsiana vaksiny an’i Madagasikara, raha toa ka ny volana jolay lasa teo no tonga ny famatsiana vaksiny andiany voalohany.
75 500 amin’ireo nahavita vaksiny covishield fatra voalohany ihany no nahatanteraka ny fatra faharoa, izay nanome ny taha 83% raha ny eto amin’ny faritra Analamanga manokana no resahina. « Mila tohizan hatrany ireo fepetra sakana amin’ny valan’aretina, indrindra amin’izao fotoana hisokafan’ny sisi-tany izao, koa izany indrindra no hanentanana ireo mbola tsy nanao vaksiny ho fiarovana amin’ny aretina. Tsy marina ireo tsaho niniana nahely mahakasika izany vaksiny izany » hoy i Mahefa, mpianatra nahavita vaksiny. « Hevitra sy paik’ady hanarenana ny ny sosialin’ny vahoaka ifotony no tokony himasoan’ny mpitondra fa tsy ny vaksiny izay tsy mahasarika akory, vaksiny izay mety hiteraka tsy fahatomambanana amin’ny fahasalamana » hoy i Rivo, raim-pianakaviana. « Tena ilaina ny fanaovam-baksiny, indrindra ho an’ireo olona marefo, mora kokoa ho an’ireo vita vaksiny ny miady amin’ny aretina noho ny fiakaran’ny hery fiarovana aorian’ny vaksiny » hoy i Dr Fano.
« Ny mpianatra sy ireo olona marefo ara-pahasalamana no laharam-pahamehana tamin’ny fotoana nanombohan’ny fanentanana ny vaksiny. Afaka misitraka izany avokoa ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana ary efa ezahina hanatona ireo toerana betsaka olona mifamezivezy amina’ny alalan’ny fandehanana ifotony ataon’ireo mpisehatra mahakasika ny fahasalamana » hoy ny tompon’andraikitra teo amin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Anisan’ireo firenena niavaka teto Afrika i Madagasikara manoloana ireo ady natao hiadiana amin’ny valan’aretina. Tsapa izany tamin’ny fandraisana andraikitra mivantana nataon’ireo Ministera isan-tsokajiny. Teo ihany koa ny famerenana indray ny fitsaboana nentim-paharazana. Eo ihany koa ny fametrahan’ny fanjakana laharampahamehana ny fahasalaman’ny vahoaka ao aminy, izay andry iankinan’ny fandrosoana sy fivoarana.
Saingy na eo aza ireo ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra, mbola maro ireo olona tsy miroso amin’ny fanaovam-naksiny. Ny fanentanana no tsy ampy sa ireo vahoaka mihitsy no tsy liana amin’izany ?
Haingotiana Andriamihaja
