Ikongo : Mipetraka amin’ny olona mahavita izany ireo zaza mandritra ny fotoam-pitadiavana fa tsy hamidy.
Nalaza tamin’ny vaovao rehetra ny mahakasika ireo zaza izay volaza fa hamidy any Ikongo noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Diso anefa ziany filazana izany ary nanome ny fanazavana mahakasika izany ireo tompon’andraikitrta isan-tsokajiny sy ireo mpiaro ny zon’olombelona.
« Tsy misy velively ny fivarotan-janaka any Ikongo. Vokatry ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny sy ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika indrindra vokatry ny fandalovan’ny Batsirai izay namela takaitra mafy dia voatery hapetraka any amin’ireo fianakaviana heverina fa mahavita izany ireo ankizy mandritra ny mosary. Miisa 15 eo ireo zaza ireo no miaina izany tranga izany », hoy ny avy ao amin’ny CNIDH.
« Lavina ny filazana fa misy izany fivarotanè-janaka izany any Ikongo. Sahirana ireo ray aman-dReny ka tsy maintsy manavotra ny ain’ireto zanany. Hisy ny fikarohana sy ny fanadihadiana mahakasika izany tranga izany ka hisy ihany koa ny sazy ho an’ireo izay ninia nanaparitaka izany vaovao diso manakorontana fiainam-bahoaka », hoy ny avy ao amin’nyn Governemanta.
Efa hiverina any amin’ny ankohonany tsirairay avy ireo ankizy ireo satria efa miakatra ny vokatra. Efa nisy ihany koa fanampina ara-tsosialy izay nahitana sakafo sy vola ho an’ireo mponina ireo izay avy amin’ny BNGRC, CPGU ary ny FID. Vahaolana maharitra kokoa anefa no tokony hatolotra ireto mponina ireto hialana amin’izany mosary izany izay miseho foana isan-taona.
Miora Raharisolo
