ActualitésTatitra

Arabie Saoudite : Mpizaha-tany iray no nofaohan’ny fiara nandritra ny « rallye-raid Dakar » 2023

Efa andiany efatry ny « rallye-raid Dakar » izao no nampiantranoan’i Arabie Saoudite tao amin’ny tany efiny. Maro ny vahiny liana amin’io hetsika io ary tsy vitsy ihany koa ny loza mety miseho mandritra izany.

Lehilahy teratany italianina iray no nofaohan’ny fiaran’ny mpifaninana iray nandritra ny dingana fahasivy ny fifaninana. Nijoro taorian’ny tendrombohi-pasika (dune) io mpizaha-tany io kanefa tafiditra tao anatin’ny lalan’ny fiara (piste) izany raha ny fanazavan’ny Amaury Sport Organisation.

Nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana tamin’ny alalan’ny angidim-by io lehilahy io saingy namoy ny ainy nandritra ny fitanterana azy.

Laisser un commentaire