Ambohimanambola : Hanomboka amin’ny alahady ny “grande open coupe omby mifahy”
Hanomboka ny alahady 15 janoary ho avy izao ny “grande open cope omby mifahy”, sokajy senior, izay karakarain’ny kaominina Ambohimanambola sy ny fokontany Ampahimanga. Tahaka ireo lalao rehetra fanao ao an-toerana, dia misy ny fisoratrana anarana mialoha sy ny fandraisana anjara ao anatin‘izany, araka ny voalaza.
“Ho avy ny tournoi foot à 7, izay atao eo amin’ny stade papmad Ampahimanga Ambohimanambola, ka dia manentana an’ireo klioba izay maniry handray anjara sahady amin’ny tournoi fa efa misokatra ny lalao” hoy ireo mpikarakara ny lalao.
“Anisan’ny lalao manosika ireo klioba eny anivon’ny fokontany ny tournoi tahaka izao ary maro ireo tanora, ankizy miha misehatra amin’ny taranja baolina kitra ka tena mila fanohanana ara-pitaovana sy ara-moraly izy ireo ahafahany manatsara ity sehatra ity mba tsy ho fitadiavam-bola fotsiny” hoy I Tolotra, tomponandraikitra misahana klioba.
Sehatra iray mahaliana ny tanora maro ao Ambohimanambola ny taranja baolina kitra ary maro ireo klioba no miandry tournoi tahaka izao mba hanehoana ny fahaiza-manaony. Ity moa no tournoi hisantatra ity taona 2023 ity ho an’ny ao amin’ny kaominina.
Manitra Ramanantsoa
